Fandriampahalemana

Bekily Androy Dahalo iray matin’ny mpitandro ny filaminana


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Raikitra indray ny fifandonana tamin'ireo zandary sy andian-dahalo tao Besandraha,



 kaominina, Ambatosola distrikan’i Bekily, ny 22 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro. Dahalo iray no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana nandritra izany raha iray hafa voasambotra. Tafaverina amin’ny tompony kosa ny omby miisa 24 amin'ireo 30 noraofin’izy ireo tao an-tanana. Novonoin’izy ireo teny an-dalana kosa ny 6. Tsiahivina moa fa vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ka nahafahana niambina ny kizo rehetra no nahazoana ireo vokatra ireo. Nifanome toky araka izany ny roa tonta fa hiezaka hiady amin’ny tsy fandriampahalemana misy any amin’iny faritra atsimo iny hatrany. Niaraka tamin’ny basiny moa ity dahalo iray lavo ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT