Dahalo miisa 3, mpiray tsikombakomba 2 (mpimasy ny iray) ary mpamatsy fitaovam-piadiana sady mpanadio omby halatra na ilay antsoina hoe dahalo ambony latabatra iray no voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Betroka noho ny asan-dahalo niseho ny 22 novambra 2017 tao Bekijoly,
kaominina Analamary. Basy miisa 2 no azo, dahalo roa no maty taorian’ny fifandonana. Tafaverina ihany koa ny omby rehetra nangalarin’ireo dahalo. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny kaompania BetrokaIo ny 23 novambra 2017 fa misy dahalo maromaro nangalatra ny omby miisa 14 tao an-tanàna. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia niatrana izy ireo ka niova ho fanakanan-dalana ireo dahalo ny iraka fisafoana amin’ny alina nampanaovina. Nisy ny fifandonana, fotoana fohy taorian’izay, ka vaky nandositra ireo dahalo ary navelany ny hazany. Nandritra izany no nahalavo ny dahalo miisa 2. Ny iray lasan’ny rano rehefa lavon’ny fifandonana ka tsy mbola hita ny razana. Dahalo efa nokarohana ela, anisan’ny namono nahafaty ny GPHC Pila tao Betroka ny 29 jona 2017 lasa teo i Thomas, ilay iray lavo, ka azon’ny zandary ny basy nentiny, “FC caibrel 16” sy bala maromaro. Rehefa nojerena io basy io dia fantatra fa an’ny lehilahy iray ao Betroka, olona nipetrahany teo aloha. Nosavana ny tranony ary nahatrarana taratasy mirakitra kaonty namarotana bala miisa 230 (famatsiana bala dahalo) sy « fiche individuelle de bovin » na FIB miisa 33 (fanadiovana ireo omby halatra). Marihana fa efa voasambotry ny zandary tany aloha izy io nandritra ny « opération tandroka » noho ny asan-dahalo ihany ary efa nisazy. Nisy ny fanarahana ny dian-tongotra sy dian-dra an’ireo dahalo vitsivitsy naratra tamin’ny fifandonana. Rehefa tonga teo amin’ny fokontanin’Antondrobe, kaominina Tsaraitso dia lehilahy iray (mpimasy) no tratra teo am-pamafana ireo dian-tongotra sy dian-dra ireo ka nosamborina avy hatrany. Tratra tao ihany koa ny dahalo iray efa nokarohana hatry ny ela ary nosamborina niaraka taminy ny mpampiantrano azy. Nisy lehilahy iray hafa koa tao izay tsy nisy nahafantatra azy ny olona tao an-tanàna ary tsy nisy nahita izay niaviany kanefa tsy manan-kavana na namana ao akory izy io na iray aza. Nilaza fa hitsidika fianakaviana ao anefa no anton-diany. Nosamborina ihany koa izy. Nisy lehilahy iray hafa koa tsy nanana taratasy mazava tamin’ny fahafahany mitana basy, nentina nanaovana famotorana nanampy azy ireo. Anisan’ny voalaza ho mampahery vaika ny asan-dahalo ao Betroka ny fisian’ny olom-boafidy iray mpamatsy fitaovana azy ireo, ary maro no nahasahy namaky bantsilana izany. Efa nivoy ny hanesorana ireo lehiben’ny zandary any an-toerana izy io, saingy izao iaraha-mahita izao ny vokatra. Inona indray no hambarany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.