Fandriampahalemana

Bejofo-Ambatondrazaka Rangahy avy namonjy sasak’alina, maty voafira antsy


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Hivavaka, hitsena ny Mpamonjy no nivoahana ny trano, fahafatesana no nitsena. Nidiram-pahoriana tampoka ny fianakaviana iray ao Bejofo, Distrikan’Ambatondrazaka ny alin’ny 24 desambra teo. Namonjy Fiangonana nankalaza ny fahaterahan’ny mpamonjy izy mianakavy kely.

Nanapa-kevitra ny hialoha lalana, hamonjy fodiana ilay raim-pianakaviana, noho ny tsy fandriampahalemana. Ny vady aman-janany mbola tany am-piangonana. Loza no niseho, fa dia efa tafiditra tao an-trano ny jiolahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay rangahy. Tsy nisy alaharo fa dia voafira antsy ilay tompon-trano. Lehibe ny fahavoazana ary nitarika tamin’ny fahafatesany avy hatrany noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy vitan’izay fa mbola narian’ireo jiolahy teo ivelan’ny trano, toerana fametrahana mololo ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy. Mbola notafihin’ireo jiolahy io alina io ihany koa ny tokantranon’ny zanak’ilay rangahy namoy ny ainy, trano tsy dia mifanalavitra amin’ny an’itsy voalohany. Tsy nisy aina nafoy tao, fa ny fananana no very. Misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT