Fandriampahalemana

Behoririka Mpangarom-paosy 9 no indray tratra


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Ankoatra ny eny Isotry sy Petite Vitesse dia anisan’ny toerana tena be mpangarom-paosy ihany koa ny eny Behoririka.

Nisy ny angom-baovao azon'ny Polisy mikasika ny fisian’ ireo andian’olona mivelona amin’izany mihitsy ary mangarona ny paosin’ireo mpiantsena eny Behoririka. Nanao fanamiana sivily ireo Polisy niasa teny an-toerana tena ka sarotra soa amantsara izy ireo. Dimilahy no indray tratra ambodiomby nanao ny asa ratsiny raha 04 kosa voasambotra rehefa fantatra fa mpiray tsikombakomba sy mpangarom-paosy izay naman'izy ireo ihany. Efa natao fanadihadiana moa izy ireo ka fantatra fa mamelom-bady aman-janany avokoa ary io asa fangaronam-paosy io no tena velon-tenany isan’andro. Raha tsiahivina dia misy Renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany mirahavavy ihany koa mivelona amin’ny asa fangaronam-paosy eto an-drenivohitra ka teny Mahamasina manataka poketran’olona izy ireo no tratra.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT