Fandriampahalemana

Behoririka Mirongatra ny fanatahana paoketra


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Aleo mailomailo ihany rehefa eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao satria mba mifangaro amin’ny besinimaro eny ihany koa ary tena tsy ampoizina ny mpanao sintomahery sy mpangarompasoy ary mpanataka poketra.

 

 Renim-pianakaviana iray nijery entana tao amina trano fivarotana entana natokana ho an’ny vehivavy sy ny ankizy no tra-doza ny sabotsy maraina teo. Tsy nahare na inona na inona fa ny poketra efa maivamaivana no nanaitra azy. Nojerena avy eo efa rovitra ary lasa ny « porte feuille » nisy ny vola sy ny antontan-taratasy rehetra momba azy. Tsy nahare na inona na inona mihitsy aho, hoy izy ary tsy nieritreritra hoe mety misy izany mpangarompaosy sy mpandrovitra paoketra izany tao amin’ilay toeram-pivarotana satria tsy nisy afa-tsy ankizy sy vehivavy no nifamezivezy tao. Noho izany, ankizy na vehivavy no nanao ilay asa ratsy. Tsy ity renim-pianakaviana ity ihany no voa tahaka izao rehefa mijerijery entana sy miantsena eny Behoririka fa maro be. Tranga izay mila fandraisan’andraikitra avy amin’ny mpiandro ny filaminana satria mety ho maro ihany no ho tapaka lalan-dra tampoka raha kilalao na hazo noely ho an’ny ankizy no tao an-tsaina fa hovidiana, saingy avy eo mandeha an-tongotra mody tanam-polo ary mbola baraingo ny hanin-kohanina rahampitso satria very daholo ny vola.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT