Fandriampahalemana

Befandriana Avaratra Hiakatra fampanoavana anio ireo mpivarotra omby mampiahiahy


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Voasambotra tao an-tsena fivarotana omby antsoina hoe Sabotsibe Befandriana-Avaratra, i Monja sy Mihandry, izay samy mipetraka ao amin’ny Fokontany Manongarivo, kaominina ambonivohitra Befandriana avaratra, mpivarotra omby.

 Ny antony fisamborana dia noho ny fahitana hetra na "patente" amin'ny anaran'i Mara Mandignazy, mipetraka ao amin’ny fokontany Mangokely, kaominina Ambanivohitra Marovoay. Ity farany dia efa niditra am-ponja noho ny famotsiana sy fivarotana omby halatra tao Marovoay, araka ny angom-baovao hatrany. Omby 12 isa no nentiny namidy ka ny 4 tamin'ireo dia efa lafo an-tsokosoko tany ivelan'ny tsena, raha mbola nisy 8 kosa nentiny tao an-tsena Sabotsibe Befandriana avaratra. Misoratra amin'ny anaran’i Mara Mandignazy ny 7 amin'ireo omby ireo raha misoratra amin'ny Zahasoa kosa ny iray. Tsy misy fanomezam-pahefana tamin’i Monja sy ny namany hivarotra omby amin'anaran'i Mara Mandignazy io. Tsy mifanaraka amin'ny FIB ny laharan'ny kavina amin'ny omby. Ireo pasipaoro avy any Namakia nitondrana ireo omby ireo dia tsy misy fitomboka sy sonia. Ireo fitomboka sy sonia amin'ny taratasy fampivarotana dia i Monja no manao izany amin'ny sonian'i Mara, izay halatra sonia. Vokatr’ireo zava-mitranga ireo dia notanana amin'ny valan'ny kaominina Ambanivohitra Morafeno ireo omby 8. Nampandrenesina ny manampahefana rehetra tao an-toerana. Natao andrimaso ireo tompon'antoka tamin'ny fanaovana famotsiana omby ary hanaovana ny famotorana. Nambaran’ny Kaomandin’ny kaompania Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana fa « tao anatin’ny iray volana dia in-4 sahady ny resaka famotsiana omby saron’ny zandary tao an-toerana. Noho izany, hentitra izahay ny amin’ny tsy maintsy hamongorana hatrany ifotony ireo mpanao famotsiana omby halatra, hoy izy. Ny Anio alatsinainy 28 febroary izao moa no hiakatra fampanoavana ao Mandritsara ny raharaha, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT