BEFANDRIANA ATSIMO MOROMBE

Tafaverina ireo omby 230 nalain'ny dahalo 80


  • Zoma 01 Desambra 2023

Omby miisa 230 no indray tafaverina manontolo amin'ny tompony taorian'ny fifandonana maherivaika nataon'ireo

zandary avy ao Morombe sy ireo dahalo 80 Vakilima nanafika tao Antranosatra, fokontany Manoy, kaominina ambanivohitra Befandrina atsimo, distrikan’i Morombe, ny alin'ny 30 Novambra lasa teo tokony ho tamin'ny 04ora 30 minitra maraina.Vao nandre ny hazolava ireo zandary sy ny tafika notarihin'ny manam-boninahitra mpandrindra ny zandarimaria ao Morombe sy ny kaomandin'ny tobim-paritra Befandriana Atsimo , dia nanara-dia niaraka tamin'ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka dahalo miisa 2 no lavo tamin’izany. Basy iray no azo raha tafaverina ireo omby rehetra. Vaky nandositra kosa ireo dahalo sisa ka mbola mitohy ny hazalambo any anaty akata any. Nisy ihany koa ny mpanara-dia iray voatifitra saingy tsy misy atahorana ny ainy fa efa nahazo fitsaboana hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Nifanome tanana tahaka izao ireo mpitandro ny filaminana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT