Fandriampahalemana

Bealanana Nofatoran’ny olona ilay mpangalatra kisoa


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Samy mitady hevitra mba hahazoany vola avokoa izao ny rehetra amin’izao indrindra fa ireo tsy an’asa. Tovolahy iray no nanararaotra mpiandry faty ka nangalatra kisoa tao Antsamaka distrikan’i Bealanana ny zoma alina teo.

Namidiny teo an-tsenan’i Banjabe ‚ kaominina ambonivohitr’i Bealanana io kisoa io ny sabotsy teo ihany saingy nisy nahalala. Raha vantany vao anontany azy ny fomba nahafahany nivarotra ilay kisoa ireo olona ireo dia nandositra avy hatrany izy. Nenjehin’ny fokonolona ary nofatorana sy natolotra ny mpitandro filaminana ity tovolahy ity rehefa voasambotra. Nanambara moa ny tenany fa tsy an’asa, antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Tsy vao sambany moa no nisy tranga tahaka izao tao Bealanana fa saika mahazo vahana mihitsy ny halatra kisoa hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT