Be galona 30 nakarina grady

Ho an'ny Tanindrazana sa hiaro mpitondra fotsiny ?


  • Talata 27 Febroary 2024

Nontontosaina omaly 26 febroary 2024 teny Ampahibe ny fanolorana ireo

Jeneraly nahazo laharam-boninahitra 30 avy amin'ny tafika Malagasy. Miisa 02 ireo nahazo ny laharamboninahitra "Général de Corps d'Armée", dia ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy. 11 mirahalahy kosa ireo « Général de Brigade » nisondrotra ho « Général de Division » ; ka ny 07 amin'ireo dia Manamboninahitra Jeneraly avy amin'ny Tafika Malagasy, ary ny 04 kosa dia avy amin'ny Zandarimariam-pirenena. 17 ihany koa ireo Manamboninahitra Kôlônely nahazo ny laharamboninahitra Jeneraly « Général de Brigade », ka ny 11 avy amin'ny Tafika Malagasy, ary ny 06 kosa avy ao amin'ny Zandarimariam-pirenena. Anisan’ny teboka lehibe mahatonga amin’izao laharam-boninahitra izao ny fananana fitondra-tena mendrika sy ny mahaolon-kendry, ka ohatra amin’izany ny maha lavitry ny kolikoly ary ny mampamiratra azy eo amin’ny asa sahaniny, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny general de corps d’armée, Monja Delphin Sahivelo. Nambara ihany koa fa mifanindran-dàlana amin’ny fanatanterahana ny politika ankampoben’Ny fitondram-panjakana ny fahazoan’ireto manamboninahitra ireto galona. Manana andraikitra manampy amin’ny fanatanterahana ny andry telo iankinan’io politikam-panjakana io ireto Jeneraly ireto dia ny fampiroboroboana ny mahaolona, ny fampiroboroboana ny famokarana, fametrahana fanjakana tsara tantana ary ny ady Amy kolikoly, hoy kosa ny minisitra misahana ny zandarimaria, ny general de corps d’armée, Andriantsarafara Rakotondrazaka. Nambara noho izany fa natao hiaro ny andrim-panjakana mijoro ary tokony ho modely eo anivon’ny miaramila rehetra ary eo anivon’ny vahoaka Malagasy ny manam-boninahitra. Tsy finiavana hitsikera fa isan’ireo firenena manana jeneraly betsaka indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara, saingy henjana ihany koa ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy fa tsy arakaraka izany. Tsikera matetika mandeha ary hita taratra ny fampisana ny mpitandro ny filaminana amin’ny lafiny politika na « politisation de l’armée » ka lasa miteraka tsikeran’ny mpandinika fa karazana pi-maso mba ho fiarovana ny mpitondra ny fizarana galona mirarakopana. Na izany na tsy izany dia mariky ny fiandrianam-pirenena ny tafika. Niandry ity fampiakarana galona ity izany vao ho voatendry ny Lehiben’ny Etamazaoro vaovaon’ny tafika sy ny Kaomandy ambonin’ny zandarimaria ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT