Fandriampahalemana

Bazar Ankirihiry Toamasina Tratra ilay lehilahy mpanendaka sady mpisoloky


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Lehilahy iray 25 taona no voasambotry ny Polisin’ny UIR Toamasina ny 24 aogositra 2020 lasa teo teny amin’ny Bazar Ankirihiry Toamasina noho ny resaka sinto-mahery.

 

 

 

 Olona nitazona finday teny an-tanany no niharan’ny asa ratsin’ity lehilahy ity tamin’io andro io. Avy hatrany dia nosintoniny izany finday izany ka nirifatra nitsoaka izy. Niantso vonjy ilay niharam-boina; nanampy ihany koa ny manodidina tamin’ny fanenjehana sy ny fiantsoana ny polisy miasa any an-toerana. Tonga ara-potoana moa ireto farany ka noraisim-potsiny ilay lehilahy. Nandritra ny fisamborana azy dia nahitana carton-na subwoofer teny aminy ary hazo no ao anatiny. Fantatra tamin’izany ary fa mpisoky ao anaty facebook ihany koa ity lehilahy voasambotra ity ary efa olona telo no nametraka fitoriana makasika izany eny amin’ny biraon’ny Polisy. Mitohy hatrany ny fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT