Fandriampahalemana

Basy tsy ara-dalàna nopotehina Tao Fianarantsoa ny 2129 tamin'ny 2500


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Notanterahina omaly 02 desambra 2020 nanoloana ny lapan’ny tanana

 

Fianarantsoa ny lanonana famotehana basy ampahibemaso nataon’ny avy ato amin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa. Nitarika izany ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa komandin’ny zandarimariam-pirenena, izay notronon’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila avy eto an-toerana. Nandritra ny taona 2019/2020 dia basy miisa 2500 mahery no azon’ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy ka ny 2129 amin’ireo dia tato anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa avokoa, hoy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Fitambaran’ireo basy tsy ara-dalàna izay azo teny ampela-tanan’ireo mpanao ratsy sy ireo azo noho ny fananteran’olona an-tsitrapo ireo. Basy mahery vaika ny 125, basim-borona miisa 102 ary basy vita tànana 1902. Tamin’ireo basy mahery vaika ireo dia nahazoana kalachnikov miisa 51, ka ny 30 amin’ireo dia mbola azo ampiasaina tsara rehefa avy natao fanandramana ka ho zaraina amin’ireo tobin’ny zandary, izay tokony homena izany, fa ny ambiny kosa dia mbola mila fanamboarana. Niniana nopotehina mihitsy ireo basy vita tanana, ary natao ampahibemaso mba hananan’ny vahoaka fitokisana amin’ny zandarimaria sy ny fitondram-panjakana ary hialana amin’ny mety mbola hiverenan’ireo basy ireo eny ampela-tanan’ny mpanao ratsy indray, hoy ny manam-pahefana. Tsy mijanona hatreo ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena fa mitohy sy manentana hatrany ireo olona izay mbola minia mitazona basy tsy ara-dalana any aminy mba hanatitra izany eny amin’ny tobin’ny zandarimaria na amin’ny manampahefana akaiky azy indrindra. Nanatrika ny lanonana tao Fianarantsoa omaly ny Goverinoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, ny OMC, ireo Depiote sy Ben'ny Tanàna.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT