Fandriampahalemana

Basy mahery vaika ampiasain’ny malaso Mitohy ny sava hao ataon’ny zandary


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Ny alarobia 18 oktobra 2017 teo, tao amin'ny fokontanin'i Sahavato any Nosy Varika, raha nanao ny fikaroham-baovao

 

 mba hisorohana ny mety ho asan-jiolahy amin'ny fipariahan’ny fitaovam-piadiana ireo zandary any an-toerana sy ny kaompanian’i Mananjary dia nandre fa misy olona mitahiry basy tsy ara-dalàna ao an-tanàna. Niroso tamin'ny fisavana sy ny fanamarinana ny toe-javatra ireo zandary notarihana manamboninahitra ka hita tao tokoa ny basy (Fusil à pompe) marika Dominion Arms Grizzly. Nogiazana io basy io, izay mahery vaika tokoa (karazany tsy misy eny amin’ny mpitandro ny filaminana) ary notanana natao famotorana ilay olona. Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’izay mety ho fiavian’ilay basy. Matanjaka tokoa izy io, araka ny fanazavan’ny komanda Herilalatiana Andrianarisaona avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena satria misy calibre 12 sy 16. Efa am-polony no tratra sy nogiazan’ny zandary ary mbola mitohy ny fikarohana, araka ny nambarany. Efa misy eny am-pelatanan’ny dahalo ity basy ity ary tsara sy mahery vaika noho ny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana. Midika izany fa misy ny fampidirana an-tsokosoko io basy io ary efa nianatra ny fomba fampiasana azy ireo malaso. Mazava fa tsy niditra ara-dalàna teny amin’ny seranan-tsambo na ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara ireto basy ireto fa any amina tambajotra hafa mihitsy. Tsara ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena saingy hita koa hoe asa tena sarotra satria dia tanànan’ny trafika rehetra i Madagasikara noho ilay sisintany midadasika loatra sy ny tsy fahampian’ny olona manara-maso sy ny fitaovana ampiasaina, indrindra ny fanjakan’ny kolikoly amin’ny sehatra maro.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT