Fandriampahalemana

Bajaj very tao Amborovy Efa navadika ho « pièces détachés » saingy tratra ihany


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Nisy tokantrano iray very Bajaj tao amin’ny Faritr’Amborovy ny Sabotsy teo ka tonga nametraka fitarainana tao amin’ny kaomisaria afovoany ilay tokantrano lasibatra.

Nisokatra ny fanadihadihana nanomboka teo, ka tamin’ny Talata 08 Novambra rehefa nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivarotra pieces-na Bajaj tany an-toerana ka avy hatrany dia napetraka ny paik’ady sy velam-pandrika izy ireo. Roalahy no sarona nandritra izany ka mbola hita tao amin’izy ireo ilay Bajaj very tany Amborovy saingy efa voazarazara ho pièces détachées mba hoamidy tsikelikely. Rehefa natao moa ny fanadihadihana azy ireo dia samy nihaiky helony avy izy roalahy. Marihina anefa fa mbola misy naman’izy roa ahy ireto mbola henjena izay fantatra fa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Rehefa tapitra tanteraka ny fanadihadihana azy ireo dia fantatra fa hatolotra ny Fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT