AVARATSENA ITAOSY

Saron’ny zandary ny sahan-drongony


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Efa hampaniriana toy ny anana mihitsy ny rongony eto amintsika.

Sahan-drongony iray teny Avaratsena Itaosy teny, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly Alarobia 31 Janoary no saron’ny zandarimariam-pirenena nanao fisafoana tany an’elakelantrano. Raha araka ny fantatra dia tao ambany salazana saosety sy tao anaty tavim-boninkazo no nahitana azy ireo. Miisa 14 fototra ireo rongony nampaniriana ireo ka tovolahy miisa 4 no voalaza fa tompon’antoka. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa mikirakira fototra rongony efa maina izy ireo ka sady mifoka no mivarotra. Vokatry ny fofon-drongony nijolofotra tao an’elakelan-trano moa no nahatrarana ireo foto-drongony miisa 14 ireo sy izy efa-dahy mpamboly azy rehefa noterena ireto farany. Miatrika fanadihadiana lalina izy ireo hatramin’ny omaly. Tsiahivina moa fa ny tranga tahaka itony no mampitombo isa ireo mpifoka rongony isaky ny tanana koa ankoatra ny tsy fandriampahalemana mety aterak’izany dia mitombo isa ihany koa ireo vehivavy maty vonom-badiny sy ireo zaza voaolana.
Pati Legende : Izy efa-dahy sy ireo foto-drongony tratra namboleny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT