AVARATR'IALASORA FANDRIANA

Renim-pianakaviana hita faty tao anaty dobo


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 39 taona eo ho eo omaly Alahady 08 Oktobra atoandro no hita faty tao

amin’ny dobon'ny mpianatra ao amin'ny Fokontany Avaratr' Ialasora, distrikan’i Fandriana. Olona teo amin'ny manodidina ihany no nahita ny razana izay mbola tao anaty rano, raha araka ny vaovao azo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo tao Fandriana avy hatrany ny fokonolona nizaha ny razana. Raha araka ny fantatra dia efa niboridana ny tapany ambany tamin-dRatompokovavy, nisy faroratra nivoaka ny vavany ary misarita-bolo izy. Tsy nahitàna dian-kapoka kosa ny vatany. Ahiahian'ny mpitsabo ny mety nisian'ny fanapoizinana sy fanolanana nanjo ity vehivavy ity. Marihana fa manan-janaka roa Ratompokovavy. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo an-dRatompokovavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT