Fandriampahalemana

Asana zandary Tena saro-pady, mitaky fahavononana


  • Talata 14 Febroary 2023

Anisan’ny asa saro-pady ny asa fitandroana ny filaminana ka ilaina fahavononana hoy ny SEG ny Jeneraly Serge

Gellé omaly taorian'ny 96 andro nanatanterahany ny tapany voalohany amin'ny fiofanana izay nifototra tamin'ny fiofanana ara-miaramila nomeny ireo mpianatra an’arivony niofana tao amin’ny EGNA Ambositra. Nihatrana ambany faneva omaly mantsy ireo mpianatra ho zandary nofaniny ireo dia ny andiany faha-77. VASIA (Volonté, Action, Succès, Intelligence, Amitié) no anarana nisaloran’izy ireo raha mahatratra 1.498 kosa ny isany. Miisa 217 ny vehivavy, raha 1.281 kosa ny lehilahy ankoatra ireo nitsoaka an-daharana. Ny Jeneraly Andriatsarafara Rakotondrazaka Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena no Ray mpiahy ity andiany faha-77 ity. Nisy ny famindrana ny fiambenana ny faneva ny sekoly ho an'ireto andiany ireto. Nofaranana tamin'ny matso lehibe, nandraisan'ireo mpiandraikitra sy mpianatra anjara ny lanonana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famoahana ireo mpianatra zandary omaly tany Ambositra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT