Fandriampahalemana

Asan-jiolahy,tsy filaminana Manampahefana maro hoesorina


  • Talata 16 Mey 2017

Nampiantso an’ireo tompon’andraikitra rehetra misahana ny fandriampahalemana eto amintsika toy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, ny ministry ny fiarovam-pirenena,

 

ny minisitry ny fitsarana, ny minisitry ny filaminana Anatiny, ny komandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny sekretara jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsijaram-pahefana, ny sekretera jeneralin’ny governemanta,  ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG),  ny talen’ny kabinetra miaramila eo anivon’ny primatiora,  ny Talen’ny kabinetra sivily eo anivon’ny Primatiora ary solon-tena avy amin’ny ministeran’ny Varotra sy Fanjifàna, omaly alatsinainy 15 mey teny amin’ny lapam-panjakana teny Mahazoarivo ny praiminisitra, lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier ary nitarika fivoriana manokana tsy ara-potoana mahakasika ny  fomba hanatsarana ny tsy fandriampahalemana amina sehatra maromaro eto amin’ny firenena.  “Tsapa fa be ny fanakianana ataon’ny olompirenena sy ny mpanao politika manoloana io toe-javatra io, hoy izy, ary mety misy ahiahy ka ny famaliana izany no anton’ny fivoriana omaly.  Efa betsaka ireo tompon’andraikitra voasazy ary efa be ireo nandalo “conseil de discipline” fa mety mbola maro koa ireo hoesorina amin’ny toerany. Anjarako amin’ny maha lehiben’ny governemanta ahy ny mampitandrina sahady ireny olona ireny. Aoka izay ny gaboraraka ka raiso ny andraikitra fa izay tsy mandray andraikitra dia ny fitondram-panjakana no hanafay azy, fa tsy mendrika an’izany intsony ity firenena ity satria betsaka ny olona no miteny fa tsy misy fanjakana intsony, Ka izay tratra sy voaporofo amin’ny firaisana tsikombakomba, sy tafiditra amin’ny herisetra sy vono olona dia tsy maintsy handraisana fepetra  hentitra sy homena sazy enjana”. Ho jerena akaiky sy harahi-maso koa ny resaka halatra lavanila any Avaratry ny nosy iny, hoy izy, ary dia hosaziana tsy misy antra na indrafo izay tratra. Hoan’ny resaka fitsaram-bahoaka indray dia manao ny ezaka ny fitondram-panjakana hiadiana amin’izany, fa raha misy firenena na mpiara-miombon’antoka maniry hanampy ara-pitaovana na ara- bola amin’ny ady atao dia tsy mandà ny fitondram-panjakana. Farany mikasika ny resaka fakàna an-keriny niseho tato ho ato dia nambaran’ny PM Solonandrasana fa teny misy izy io ka andraikitry ny fitondram-panjakana aminy dia ny miady ary misoroka an’izany fakàna an-keriny izany, ary mitady ny fomba  rehetra hahatrarana ireo tambajotra mahatonga azy. Ho hita tsy ho ela ny vokatry ny fakàna an-keriny ny zanaky ny tompon’ny orinasa Socolait, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT