Fandriampahalemana

Asan-jiolahy teny Behoririka Maty voatifitra ilay « coursier » avy naka vola 130 tapitrisa Ar


  • Zoma 30 Desambra 2022

Tovolahy iray vao 32 taona, voalaza fa « coursier » ana cash point iray no maty notifirin’ny jiolahy teo anoloan’ny tsena « Galerie Mialy »

teny Behoririka omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Raha araka ny vaovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia avy naka vola 130 tapitrisa Ar teny amin’ny Banky BNI Antsahavola ity tovolahy ity ary nandeha moto. Heverina ho efa nanam-baovao ireo jiolahy ary nahalala ny lalany koa dia nanaraka azy ; raha ny fantatra mantsy dia tokony hanatitra vola ao amina Cash point iray ao Behoririka ity « coursier » ity. Nitifitra avy hatrany ny lohany sy ny tendany , rehefa tonga teny Behoririka no sady naka ny sakaosy nisy ny vola teny aminy ireo jiolahy . Mbola nanao tifi-danitra ihany ireo olon-dratsy vao nitsoaka nandritra izany. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha avy hatrany moa ny razana. Vehivavy iray hafa ihany koa no fantatra fa naratra teo amin’ny sorony ary efa nentina hopitaly. Marihina fa anisan’ireo niketrika ity fanafihana ity i Davidabe ilay maty voatifitry ny SAG teny Tsiadana omaly. Nangonin’i Pati Legende : Niparitaka tahaka izao ny ra teny Behoririka teny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT