Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Telolahy nangalatra kapa tany fiangonana


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Betsaka ireo mpino amin’ny fiangonana tsy manao kapa na kiraro rehefa mivavaka isaky ny andro sabata.

Efa misy mihitsy ny toerana natokana hametrahana azy ireny noho izany ka samy mitadidy ny azy ny tsirairay na kely na lehibe. Ny nahavariana ireo mpino tao amin’ny fiangonana zandriny iray teto an-drenivohitra anefa dia misy hatrany ireo kapa na kiraro very isaky ny sabata ary handrenesana fitarainana hatrany izany. Nisy araka izany ny fanaraha-maso nataon’ireo tompon’andraikitra ka telolahy no indray tratra tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mbola tratra nitazona ilay kapa nangalariny ny iray raha mbola iny nifantoka tsara tamin’ny fotoam-pivavahana iny kosa ilay mpino tompony. Tsy nitory azy ireo moa ny mpino tao amin’ity fiangonana zandriny fa avy hatrany dia nanolotra azy ireo tamin’ny manampahefana kosa mba tsy hamerenany ny ratsy fanaony intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpangalatra kapa any am-piangonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT