Fandriampahalemana

Asan-jiolahy sy vono olona Nangataka « autopsie » ny fianakavian’i Lalao Rabezanahary


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Omaly alarobia atoandro no nalaina tao amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy Lalao Rabezanahary,

mpandrindra nasionalin’ny antoko vondron’olona manohana ny Fitondrana eto Madagasikara na ny VMF. Raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Atoa Falison Jocelyn dia nahitana dian-javatra ny helika sy ny tratran’Itompokolahy, tena niteraka ny fahafatesany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy jiolahy nitsofoka tao an-tranon’Itompokolahy ary noratrain'izy ireo izy. Ny ampitson’iny izy no hita fa rerakabe ka voatery nentina niditra hopitaly. Tsy tody teny amin'ny hopitaly akory anefa izy dia namoy ny ainy. Omaly ihany koa moa no niakatra fitsarana ity raharaha ity. Miantso ny polisim-pirenena sy ny fitsarana tsy handairan’ny kolikoly araka izany ny filoha nasionalin’ny VMF. Efa nisy moa ny fangatahana fizaham-pahasalamana na autopsie nataon’ny fianakaviana raha rahampitso kosa no alevina any Fandriana ny nofo mangatsiakany. Pati Legende : Itompokolahy fony fahavelony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT