Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Nieren-doza ny tao Benivary sy Verezambola


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Nieren-doza ireo mponina tao amin’ny Fokontany Benivary sy Verezambola , Kaominina Ambonivohitr’ Antsirabe ny sabotsy alina teo tokony ho tamin'ny 10 ora.

Rava mantsy ilay fanafihana saika hataon’ireo jiolahy. Tranon'olon-tsotra iray no nokasain'ireo jiolahy hidirana, raha tsiahivina.Vao nahare antso fanairana ny kaomandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Andranomadio dia nandefa ekipa avy hatrany.Nanao tari-dositra ireo jiolahy vokatr’izany ary nanapoaka basy in-droa. Nitsoaka tany anaty kirihitra izy ireo taorian’izany ka tsy hita intsony.Tsy nisy ny entana very. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Tsiahivina moa fa tsy ao Antsirabe ihany fa saika manerana ny faritra maro mihitsy ny fanafihan-jiolahy matetika tahaka izao ka ilana fitandremana.
Nangonin’i Pati
Legende :Voasoroka ny fanafihana, nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT