Fandriampahalemana

Asan-jiolahy niampy fametavetana Naolana teo imasony ny vady aman-janany


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Tsy mba fifaliana tahaka ny an’ny rehetra no niatrehan’ity ankohonana kely ity ny fetin’ny noely noho ny fanafihan’ireo tsivalahara ny tokantranony ny alatsinainy 24 desambra teo.

Nafatotra ilay raim-pianakaviana dia naolana teo imasony ny vadiny sy ny zanany vavy 12 taona. Teny Mandrosoa Ivato izay tsy lavitry ny renivohitra no nisehoan’izany. Telo lahy no nanafika ilay tokantrano ary ankoatra ny fandrobana isan-karazany dia mbola tonga tamin’ny fanolanana koa ireo tsy mataho-tody. Ny jiolahy toy ireny dia mendrika ny mahazo ny sazy mandra-pahafaty rehefa tratra. Habibiana sy heloka bevava no vitan’izy ireo ary fanimbazimbana tanteraka ny zon’olombelona. Ny hirariana dia ho tratra ireo tsivalahara ka hizaka ny valin’asany. Vao ny 13 desambra lasa teo rahateo no nolaniana teny amin’ny antenimieram-pirenena ny lalàna miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy na ny VBG.

Toky R sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT