Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Mpivady nokapaina famaky teo imason-janany


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020


 

 

 

 

Nampalahelo ny zava-nitranga tany amin’ny Fokontany Mahatoky,  distrikan’i Betroka ny Alarobia lasa teo. Mpivady niara-mandry teo am-pandriana niaraka tamin’ny zanany tsy manan-tsiny vao roa taona monja no nasesina lehilahy iray nopakaina tamin’ny famaky ny tendany ka rehefa namoy ny ainy ilay Rangahy dia nataony ihany koa ilay Ramatoa. Nanatri-maso izany ireo zanak’izy mivady roa efa lehibebe  8 sy 12 taona  ka nitady lalana nitsoaka no sady nampandre ny manodidina sy ny mpitandro ny filaminana. Nentin’ilay tsy mataho-tody kosa ilay zanak’izy mivady farany vao roa taona monja ary tsy mbola fantatra  izay nanaovany azy na maty na velona hatramin’ny fotoana nanoratanay. Raha araka ny fanazavan’ireo ankizy moa dia rahalahin’ity raim-pianakaviana  izay namoy ny ainy ity ihany io namono azy mivady io noho;  izy tsy dia salama saina loatra.  40 taona ity lehilahy ity raha misy ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nety niaiky ny helony izy na dia efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka aza. Porofo tsy azo lavina kosa ny nanatrehan’ireo ankizy lehibe ny zava-nitranga sy ny nanadinoany  ilay famaky feno rà namonoany azy mivady tao an-trano.  Efa nalevin’ny fianakaviana kosa ny nofo mangatsiakan’izy mivady lehibe raha mbola hifampitadiavana ilay tsy manan-tsiny vao roa taona monja.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT