Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Miha mirongatra


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Jiolahy miisa 6 no lavon'ny polisy ny herinandro lasa teo, teny Anosipatrana, raha ny tatitra voaray. Misy mpamerin-keloka amin'izy ireo. Jiolahy 4 ihany koa no lavon'ny FIP Toamasina, omaly.

Vao nivoaka ny fonjan'i Tsiafahy ny iray. Ny azo antoka dia, hirongatra ny asan-jiolahy mahery vaika manomboka eto, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsiahivina fa 115 isa ny voafonja tany Tsiafahy no nisitraka fanalefahan-tsazy raha ny nambaran'ny filoham-pirenena. 14 tamin'izy ireo no nivoaka teo no ho eo, ny janoary teo, satria tapitra avy hatrany ny saziny. Ny ambiny nivoaka tsikelikely, araka ny fahataperan'ny saziny avy. Ny heloka bevava moa dia azo sokajiana ho 3 karazana. Eo ny heloka bevava atao amin'olona toy ny fakàna an-keriny, ny vono olona, fanolanana, fampijaliana sy ny maro hafa. Faharoa, ny heloka bevava mahakasika fananan'olona tahaka ny halatra miharo herisetra sy fisolokiana. Farany, ny heloka bevava naha lasibatra ny fitondram-panjakana toy ny famadihana na «trahison», fitsikilovana, fanaovana vola sandoka sy ny maro hafa. Ireo namono olona, nanolana, nanao fanodinkodinana fananam-panjakana, nanao fakàna an-keriny sy nanondrana harem-pirenena an-tsokosoko dia tsy anatin'ireo nahazo fanalefahan-tsazy, raha ny tany Tsiafahy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray sy fanazavana. Hita ho miha mirongatra araka izany izay asan-jiolahy izay na an-tanan-dehibe na any ambany ravinkazo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT