Fandriampahalemana

Asan-jiolahy efa voaomana Raikitra ny “opération” tobin-tsolika


  • Talata 23 Jolay 2019

Sesilany indray ny fanafihana toby mpaninjara solika tato ho ato. Jiolahy miisa 4 tsy nisaron-tava nirongo basy no nanafika ny Shell teny Ankadindramamy eo amin’ny Vatosoa omaly alatsinainy 22 jolay maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sasany.

 

 

 Vola tamin’ny sakaosy tokony ho 70 000 000Ar maty nandritra ny 3 andro saika haterina tany amin’ny banky izy io. Vao nikasa hiditra tao anaty fiara ilay mpitantana ny tobin-tsolika no notsenain’ireo jiolahy tamin’ny basy. Voatery nanome ny vola, ka nanapoaka basy in-telo sady nitsoaka nihazo ny elakela-trano ireo olon-dratsy, ka tsy nisy afa-nihetsika ny rehetra. Voalaza fa misy « caméra de surveillance »  ny toerana, ka ho hita eo ny fikarohana satria samy tonga teny ny avy amin’ny polisy sy ny zandary antsasakadiny teo ho eo taorian’ny fanafihana. Efa matetika ny fanafihana eo amin’io tobin-dasantsy io, ary vao volana vitsy ihany koa no nisy nanafika ny trano fivarotana lehibe mifanila eo.

Voatafika ihany koa ny tao Antsirabe

Voatafika ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy ihany koa ny toby fitsinjarana solika Jovena Tsiory Andrefan'ny Star ao Antsirabe. Vidin-tsolika ny faran'ny herinadro no lasan'ireo jiolahy tamin'izany satria dia voavakin'izy ireo ny fitoeram-bola tao. Avy any an-damosin'ny birao no nidirany ary nesoriny ny "caméra de surveillance" tao anatin'ny birao sy ny solosaina fitehirizana ireo sary rehetra tao amin'ny birao ary nentin'izy ireo. Tsy nanam-po ny tranga moa ireo mpiasa niasa ny alina ka ny mpitantana ny toeram-pivarotan-tsolika hiasa ny alatsinainy maraina no gaga nahita ny fahavakisana. Marihina anefa fa misy polisy roalahy miasa eo amin'ity toerana ity, ankoatra ireo mpiasa izay miasa 24/24ora, izay voalaza fa samy tsy nahalala n'inona n'inona. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ary voatery notanana vonjimaika aloha ireo mpitandro filaminana sy ireo mpiasa niasa ny alina.

Ankorondrano, Itaosy, Ankadimbahoaka…

Ny 15 mey, dia mpanatitra vola matin’ny tobin-tsolika no maty nisy nitifitra teny Anosiala Ambohidratrimo, raha saika hanatitra vola teny Mahitsy. Ny takarivan’ny 25 jona no nisy nanafika ny Jovena tetsy Ankorondrano, ka roalahy nandeha “scooter” no nanambana basy ny “pompiste” sy mbola naka vola tamin’ireo fiara naka solika teo. Talohan’ireny dia efa nisy ny fanafihana ny mpanatitra volan’ny Jovena Anosimasina Itaosy, fa tsy nahazo vola ireo jiolahy. Efatra volana lasa ihany koa izay ny fanafihana ny mpanatitra volan’ny teny Galana Ankadimbahoaka. Tsikaritra tamin’ireo tranga rehetra ireo fa ampy vaovao tsara ireo jiolahy ary efa nanomana paikady hanatanterahana ny asa ratsin’izy ireo.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT