Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Avy nigadra dia nanendaka sahady


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Polisim-pirenena amin'ny fiadiana ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra indrindra amin'ireny faritra mena hanjakan'ny herisetra ireny .

 Ny 23 oktobra lasa teo dia polisy panao fanamiana sivily mijery ireo mpanendaka sy mpangaro-paosy teny amin'ny faritra Isotry ireny no nahatsikaritra roalahy manao fihetsika hafahafa sy manara-maso ny olona mpiantsena eny an-toerana. Rehefa narahan'ireto polisy maso izy roalahy ireto dia nitsofoka tao an-tsena ary mody mitakosina miaraka amin'ireo mpiantsena hividy.Hitan'ireto polisy ny fomba fihetsik'ireto olon-dratsy ka tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roalahy nanararaotra ireo mpiantsena. Nosamborina avy hatrany ireto farany. Tsy vaovao amin'ny Polisy ny endriky ny iray tamin'izy ireo satria dia efa voasambotra noho ny fanendahana ihany koa tamin’ny 09 oktobra saingy nahazo fahafahana vonjimaika ary izao tra-tehaka nanao asa ratsy izao indray.

Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT