Asan-dahalo tao Ambohimandry Arivonimamo

Lasa ny vola an-tapitrisany maro, vehivavy 3 voaolana


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Mody mandroba fananana sy mitaky vola ny ankamaroan’ireo dahalo miditra

any an-tokantranon’olona ny ankamaroany saingy anisan’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny hanolana sy hametaveta ireo zaza amam-behivavy sendra azy. Tsy misy hafa amin’izany ny fanafihan-dahalo mahery vaika nitranga tao amin’ny Fokontanin’ Ambohitrandraina Anjanamahazo, kaominina ambanivohitr’Ambohimandry distrikan'Arivonimamo ny alin'ny Talata 30 Janoary teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Trano miisa 4 no nasesin'ireo dahalo notafihana, raha araka ny vaovao azo. Tao amin'ilay tranon’olona mpiantoka omby no nidiran'izy ireo voalohany, izay nakan'izy finday sy vola an’hetsiny maro. Ny sasany kosa niditra tamin'ilay trano faharoa izay sady nandroba no nanolana ary mbola naka vola ihany. Ireo trano 2 farany kosa dia mbola voaroba vola ihany koa.Vehivavy miisa 03 no voaholana vokatr’izany ka 40 taona no zokiny indrindra. Vao 10 sy 14 taona kosa ilay zazavavy roa farany izay marihina fa simba tanteraka. Vola mitentina 640. 000 Ariary niampy ireo fitaovana tao an-tokantrano isan-karazany toy ny fahitalavitra no lasan’ireo tsy mataho-tody. Tsy vitan'izay fa mbola nodoran'ireo farany tamin'ny sachet plastika ihany koa ny tovolahy iray sendra azy ka naratra mafy. Nandrangaranga basy sy antsy lava lela hatrany moa ireo dahalo nandritra izany fanafihana mahatsiravina rehetra nataony izany.
Pati
Legende : Nikorontana ambony ambany tahaka izao ny tokantrano nidiran’ireo dahalo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT