Fandriampahalemana

Asan-dahalo sy vono olona Lavon’ny balan’ny zandary i Iarisy


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Maty ilay dahalo raindahiny antsoina hoe IARISY na Randrianarisoa Elysé, araka ny fampitam-baovaon’ny

Zandarimariam-pirenena teo anivon’ny Kaompania Imerina Centrale omaly 26 martsa 2023. Malaza tamin’ny asa ratsy sy ny fampihorohoroana tany amin’ny Distrikan'Anjozorobe, Ankazobe, Ambohidratrimo ary Tsaratanàna (Andriamena) tamin'ny fakàna an-keriny sy halatromby. Izy sy ny namany ilay nandoro olona velona ka nahafaty olona 33 avy amin'ny fianakaviana iray tao Ambolotarakely Ankazobe ny 29 jolay 2022. Nanafika tao Amboara, kaominina ambanivohitra Antanetibe Anativolo, distrika Anjozorobe izy ireo ny sabotsy 25 martsa 2023. Olona 4 no maty vokatr'izany. Nisy avy eo ny fanarahan-dia nataon'ny Zandary avy ao amin'ny Zana-tobim-paritra Antanetibe Anativolo sy ny fokonolona ka raikitra ny fifandonana teo anelanelan'ny Anditinina/Soarano, fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanetibe Anativolo sy Befihatra, fokontany Anosikely, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Voatifitra tamin'io fifandonana io i IARISY saingy mbola nentin'ireo namany nitsoaka. Omaly alahady kosa ny fatiny vao hita, ka efa nentin'ny fokonolona ao Belavabary, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe izay misy ny tanindrazany, raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimatriam-pirenena hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT