Fandriampahalemana

Asan-dahalo sy fanafihana fiara Olona 4 nahatrarana basy 2


  • Alarobia 17 Mey 2017

Olona 4 nitahiry basy 2 izay fanaovana fanafihana amin’ny fangalarana omby sy fanafihana fiara amin’ny fanakanan-dalana no saron’ny zandary tao Fierenana kaominina ambanivohitra Ambatomanoina ny alahady 7 mey 2017 lasa teo.

 Raha ny fizotry ny tantara, dia nisy halatra omby niseho tao Fierenana, distrikan’Anjozorobe ny 29 aprily 2017 tamin’ny 4 ora hariva. Dahalo 15 no nangalatra omby miisa 19 tamin’izay ary nalain’izy ireo an-keriny ny zazavavikely 13 taona nataony takalon’aina. Ny zoma 5 mey 2017 dia nifankatratra tamin’ireo dahalo tao Andriamena kaominina Antakavana ny zandarin’Ankazobe nanao fanarahan-dia ka nisian’ny fifandonana. Tafaverina manontolo ny omby ary votsotra ilay zaza. Tafaporitsaka kosa anefa ireo jiolahy. Ny 7 mey 2017 anefa dia heno fa misy olona nampiantrano ireo dahalo sasany tao Anjanabato ka natao ny fisavana. Lehilahy 4 no tratra tao amin’io trano io niaraka tamin’ny basim-borona na “FC calibre 12” iray sy basy vita gasy iray ary bala miisa 5. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa efa nampiasain’izy ireo nanaovana fanafihana fiara tamin’ny fanakanan-dalana ireo fitaovam-piadiana ireo ankoatra ny nampiasany azy tamin’ny halatra omby.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT