Fandriampahalemana

Asan-dahalo sy fanadiovana omby halatra Olona 6 nidoboka am-ponja vonjimaika


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Olona telo nahiditra am-ponja noho ny fanadiovana omby halatra tany Mandoto. Miady mafy amin'ny asan-dahalo ny zandary ao Mandoto ary mikaroka hatrany ambony latabatra,

 araka ny fampitam-baovaon’ny Vondron-toby ao Vakinankaratra. Olona enina no natolotra fampanoavana ny 04 Aogositra 2021 izay nahitana lehiben'ny boriborintany roa (CAA) na “délégué”, hoy ny fiteny mahazatra, mpitantsoratry ny “délégué” iray ary mpividy omby halatra sy namany iray niray petsapetsa aminy. Omby very ny 16 Aprily 2021 tao Vinany Mandoto no hita ny 29 Jolay 2021 tao am-balan'i R.S.B monina ao Moraranokely Ankazomiriotra. Nidina nanao fanadihadiana ny zandary ary hita tamin'izany ny firaisan'ireo mpiasan'ny délégué tendro amin'ny olontsotra mba hanomezana taratasy ireo omby.
Notanana am-ponja miandry fitsarana ny nahitana ny omby, ny mpitantsoratry ny délégué Ankazomiriotra, ary ilay nivarotra ny omby halatra. Raha noafahana (LP) kosa ireo lehiben'ny boriborin-tany. Ny fanadihadian'ny fitsarana kosa no hamaritra ny heloka hobaben'ny tsirairay amin'izao raharaha izao. Ankoatry ny ady eny an-kianja izay ilofosan'ny zandary dia tsy andeferana kosa ireo miray petsapetsa mivarotra sy manadio ary mitahiry omby halatra. Raha misy ny omby very dia mikaroka hatrany ny zandary sy ny tompony na dia fotoana ela aza no nahavery azy ary rehefa voamarina ny porofo atolotry ny tompony dia averina amin’ny omby, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT