Fandriampahalemana

Asan-dahalo goavana tany Andilamena Omby 700 no very


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Mirongatra ny halatra omby any amin’ny faritra Alaotra. Omby miisa 700 be izao no lasan’ny dahalo ny 14 aogositra sy ny 16 aogositra laza teo.

Ny voalohany tao amin’ny Kaominina Antanimenabaka ka 500 ireo lasan’ny dahalo maro be. Ny faharoa kosa tao Morafeno, ka 200 no lasibatra. Ny faran’ny herinandro teo, dia mbola nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary any amin’ny distrikan’Andilamena misy ireo toerana ireo, ka nohamaroina ireo mpitandro ny filaminana satria nantsoina ny avy amin’ny faritra manodidina. Efa nisy ny raopilanina nalefa hitsirika ny toerana nitondrana ny omby, ary miandry kely ny angidim-by, araka ny vaovao nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo hatrany. Hohamafina ny fanaraha-maso ny taratasin’omby, ary indrindra ny mety ho endrika kolikoly sy ny taratasy fanadiovana omby halatra. Namariparitra ny lalàna hahafaha-manome ny taratasy manokana ho an’ny omby na FIB ihany koa ny tompon’andraikitra. Matoa mahasahyireo dahalo mangalatra dia tafavoaka foana ny omby nangalarina, ary mazava hoa azy ny fisian’ny taratasy zary lasa ara-dalàna noho ny mety ho firaisana tsikombakomba. Tena efa avo lenta ny firaisana tsikombakomba ao anatin’ity raharaha ity, ary efa mety tsara fiarovana sy misy tendro ifandraisana amina olona ambony sy manana fahefana be eto amin’ny firenena. Tsy ho mora ny haningotra ny asan-dahalo eto amintsika na misy aza ny ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny fampiasana fitaovana raitra, raha mbola miriaria amin’ny tsindry bokotra ny dahalo ambony latabatra, izay efa sokajiana ho mafia. Misy amin’ireny indraindray no mivoaka mihitsy ny anarany, toy ny hoe manamboninahitra na olom-panjakana ambony izatsy na izaroa no mamatsy vola sy fitaovam-piadiana ny dahalo. Toa tsy mbola nisy anefa ireo dahalo ambony latabatra hoe tratra, fa ireo dahalo madinika lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana no maro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT