Fandriampahalemana

Asan-dahalo ao Betroka Niova ho fakana takalon’aina


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Mihena ny asa-dahalo any Betroka amin’izao fotoana, hoy ny filohan’ny fikambanana Andrimaso, Ajad Ridji Razafindrazanaka, saingy ny halatra olona kosa no tena mampatahotra ny mponina.

 

 

 Herinandro mahery kely izay dia nalain’ny dahalo tao an-tampon-tanàna ny olona iray natao takalon’aina hakana 17 tapitrisa ariary saingy rehefa tsy nahazo izay ilainy izy ireo dia novonoiny ho faty. Am-polony mirongo fiadiana ireo dahalo lasa mpaka takalon’aina ireo. Mangataka, noho izany, ity fikambanana ity mba hamatsy fitaovana toy ny natao tamin’ny ady tamin’ny dahalo mikasika ny fakàna takalon’aina koa ny fanjakana ary manao antso avo amin’ny vahoaka mba hifanampy amin’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny fametrahana “Quartier mobile” satria nihena ny halatra omby fa nivadika an’io indray, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT