Asan-dahalo any Fihaonana Tsiroanomandidy

Fanafihana telo tao anatin'ny alina iray, 2 voasambotra


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Dahalo 2 tratra tao Ambohimahasoa Fokontany Antsampanimahazo any Fihaonana Tsiroanomandidy,

raha ny vaovao azo. 4 izy ireo no saika hanafika hamono olona teo amin’io tanàna io, saingy nalaky tonga ny mpitandro filamaninana ka tsy nahomby ny tetik'ireto dahalo, hoy ny tatitra omaly 13 martsa. Nisy ny fifampitifirana omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina, ka naratra ny dahalo iray, voasambotra niaraka taminy ny namany iray niaraka tamin’ny basy 1 nampiasain'izy ireo. Voalaza fa fa samy tompon-tanàna izy 2lahy ireo. Ny 2 izay avy any Ambodivato kosa tafatsoaka niaraka tamin’ny basy iray hafa, samy anatin'ny kaominina Fihaonana avokoa izy ireo. Natolotra ny zandary omaly tolakandro moa izy 2 lahy ireto izay nomarihina fa mbola anatin'ny fahatanorana tanteraka. Ankoatra io, ny harivan'ny 12 martsa 2024 ihany koa, dia dahalo am-polony nirongo basy no saika hanafika tao amin’ny Fokontany Bemangoraka, olona iray no naratra voatifitra, tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana sy ny ben'ny tanàna ka tsy tafavoakan'izy ireo ny omby nokasain'izy ireo hangalarana. Tafaporitsaka ireo dahalo. Ny alin’io 12 martsa io ihany koa tokony ho tamin’ny 11ora tao Antanimbaribe, dia omby 2 ihany koa no lasan'ny dahalo ary efa tafaverina amin’ny tompony avokoa, hoy ny tatitra. Isan’ny tena toerana be dahalo iny faritr’i Bongolava iny, ary hatramin’ny samy mpitondra Fanjakana sy tompon’andraikitra ambony ara-politika aza nisy fotoana herintaona lasa teo izay nifampiampanga amin’ny resaka tsikombakomba amin’ny dahalo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT