Omby 17 avy ao Andriatomefy, kaominin’i Ranohira, no nangalarin’ny dahalo ary nentiny nitsofoka nihazo an’i Betroka ny zoma teo,
raha ny fampitam-baovaon’ny tompon’andraikitry ny filaminana avy any an-toerana. Ny antoandron’io ihany rehefa naharay ny vaovao ny eo anivon’ny zandarimaria dia lasa nanara-dia. Raikitra teo ny fifampitifirana ary dahalo miisa 3 no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ary efa tafaverina amin’ny tompony kosa ireo omby. Ny andron’iny zoma iny ihany koa moa dia fantatra fa nisy fanafihana iray tsy tontosana dahalo 7 lahy nikasa haka omby miisa 20 tao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’Ambondro, ao amin’ny distrikan’i Betroka hatrany. Voatifitry ny zandary ihany koa ny 2 tamin’ireo dahalo saingy afaka nitsoaka ary efa eo am-pikarohana azy ireo amin’izao fotoana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.Efa tena nihena be ny asan-dahalo any Betroka raha oharina amin’ny zava-nisy roa taona lasa hoy ny fanazavana azo avy eo anivon’ny sampana seraseran’ny zandarimariampirenena eny amin’ny toby Ratsimandrava, satria raha ahitana fanafihana 10 na 15 isam-bolana teo aloha dia efa tena nihena amin’ny antsasany izany ankehitriny.Ary tsy fanafihan-dahalo mafy be mandeha andiany an-jatony tahaka ny tamin’ny andron-dRemenabila fa dahalo efa vitsivitsy.Ho an’ny zandarimariam-pirenena dia tena nisy vokany tsara ny fametrahana ny USAD na ny vondron-tafika manokana miady amin’ny dahalo ao Mahabo-Betroka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.