Asan-dahalo any ankazobe sy Anjozorobe

5 no indray lavon’ny mpitandro ny filaminana


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Miisa dimy ireo dahalo lavon’ny mpitandro ny filaminana mpanao asa fampihorohoroana tao Ankazobe,

Anjozorobe ary Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia raikitra ny fifampitifirana tamin'ireo zandarin'Ambohidratrimo sy ilay andiana mpaka an-keriny rehefa tratra tao amin'ny zohy fihereny izy ireo ny alin'ny 23 mey teo. I Francis na Iaban'i Lamina, izay voasambotra , no nibaboka nanondro ny toerana nisy azy ireo. Tao amin'ny kizon' Andilana, fokontany Anjezika , kaominina Mahavelona no raikitra io fifanoherana io. Maty nandritra izany ny dimy tamin'ireo jiolahy saingy tafatsoaka ireo namany hafa. Tratra tao amin'ity kizo ity ihany koa ny basy mahery vaika fampiasan'izy ireo. Mbola mitohy moa ny fikarohana ny naman’izy ireo hataon’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy dimy lahy namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT