Fandriampahalemana

Asa ratsy eny Andraisoro Zatovo miisa 6 nosamborina


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Zava-doza ny saika nitranga tany Andraisoro afak’omaly 26 Oktobra. Zazalahy iray no saika hanolana zazavavy kely iray vao 19 taona.

Mbola mpianatra ity farany raha araka ny vaovao azo ary saika hanamparan’io tovolahy io ny filan-dratsiny taminy. Raha vantany vao nahare izany ireo mpitandro ny filaminana miasa ao amin'ny Poste de Police eny an-toerana, dia niroso tamin'ny fikarohana azy. Hita ny toerana fiereny izay tsy aiza fa eny amin'iny faritra Andraisoro iny ihany ka noraisim-potsiny ny lehilahy. Fantatra ihany koa mantsy fa tena tompon'antoka tamin'ilay vaky trano niseho tany an-toerana izy io. Ity farany izay tsy zoviana amin'ny maro sy eny amin'ny manodidina amin'ny resaka halatra miharo herisetra ary harom-paosy eny amin'iny faritra iny. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana nisambotra ireo namany 05 hafa teny Tsarahonenana izay mpiara-manatanteraka aminy ireo asa ratsy voalaza ireo. Efa maro ihany koa ireo olona nametraka fitoriana mahakasika azy 06 ireto. 18 ka hatramin'ny 24 sy salan-taonan'izy ireo.
Nangonin’i Pati Legende : Ireto izy enin-dahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT