ASA FANAMBOARANA LALAMBE

Olona 3 mpangalatra solika tratra


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Olona miisa telo no voasambotry ny Polisin'ny FIP avy ao Anjozorobe

nandritra ilay trangana halatra solika amin’ny tetikasa lalambe mikodana tao Mangamila, distrikan’Anjozorobe. Ny alin’ny 05 Septambra teo nandritra ny fisafoana no nahatrarana ny lehilahy miisa roa avy ao Antanetibe. Tratra niaraka tamin’ny daba mavo miisa 03 feno solika izy roa lahy ireo. Fantatra fa nangalarina tao amin’ny tobin'ireo mpiasa ao amin'ny fanamboarana ny lalambe migodana ao Mangamila ireo solika. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia nanonona ny mpiray tsikombakomba aminy izy roalahy, izay vadin’ny iray tamin’ireo voasambotra ihany, sady mpitahiry ireo solika nangalarina. Ny marainan’ny 06 Septambra teo dia voasambotra ihany koa ilay vehivavy 36 taona izay mpitahiry sy mpamindra ilay lasantsy. Fantatra fa mbola misy mpiray tsikombakomba an'ireto mpangalatra solika ireto karohina. Solika miisa 48 daba mavo no efa azon'izy ireo, raha tsiahivina. Hoatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy 3 mianadahy.
Pati
Légende : Ireto izy 3 mianadahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT