Fandriampahalemana

Arivonimamo Natory tany am-pasana ilay jiolahy \


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Tratran'ny polisy miasa ao amin'ny distrikan’Arivonimamo ny jiolahy rain-dahiny iray mpamaky trano sy mpanao fanafihana miaraka amin'ny antsy.

 Ny alatsinainy maraina teo raha tsiahivina dia nahazo antso ny polisy ao Arivonimamo fa misy tovolahy miaraka amin'ny antsy be, mandrahona sy mamono olona teny morafeno Atsimo, kaominina ambanivohitra Imamo, dia namonjy avy hatrany teny an-toerana ny polisy. Rehefa natao ny fisamborana azy, dia nanohitra sy nandaka ireo mpitandro filaminanana ity lehilahy ity . Marihina fa mbola mammon-drongony ity farany, ary nandratra olona tamin'ny antsy ihany koa. Rehefa notazomina tao amin'ny violon izy ka niangavy ny ho any an-kabone ny maraina ny talata maraina tamin'ny 05ora sy sasany dia tafatsoaka ka nifanenjehana fa tsy tratra ary nahasaoty trano mirefy 5 metatra ny haavony. Nahazo fampandrenesana ny polisy fa matory any am-pasana misy ny rainy izy ka niandry tany an-toerana ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona ny alin'ny talata teo. Ny marainan'ny alarobia izany hoe omaly dia voasambotry ny polisy tao Imerintsiatosika ny lehilahy. Marihina fa milalao ody mahery ity farany ary efa nigadra noho ny halatra sy vaky trano in-telo tao amin'ny fonjan' Arivonimamo. Hatolotra ny fampanoavana anio ny tovolahy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT