Fandriampahalemana

Arivonimamo Mpivaro-kena no nanirak’olona hangalatra omby


  • Talata 20 Septambra 2022

Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny halatr’omby any amin’ny Faritra Itasy. Voakasik’izany ny ao amin’ny distrikan’Arivonimamo izay misy omby very hatrany isan’andro.

Ny nahagaga sy nahavariana ny maro anefa dia mpivaro-kena izay noheverina mba hiady amin’izany no tratra niray tsikombakomba tamin’ny dahalo. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nisy omby very tao Antanibe Arivonimamo I ny 14 Septambra teo. Rehefa narahana ny dian'io omby iray very io dia hita fa niditra tao amin'ny tranon'ilay mpivaro- kena iray tao Arivonimamo. Napetraka ny vela-pandrika ary natao ny fanadihadiana ka tratra ilay mpivarotra. Niaiky ny helony vitany ity mpivarotra ity fa naniraka olona hangalatra omby ary nanondro ilay vehivavy mpivarotra ny taovan-kena. Nosamborina ihany koa ity vehivavy ity taorin'izany. Efa mpamerin-keloka moa izy ireo satria efa nigadra roa volana tany am-ponja saingy navoakan'ny fitsarana foana. Tsara ny manamarika fa efa mpiray tsikombakomba amin'ny dahalo ity mpivarotra. Izy mihintsy mantsy no maniraka olona hangalatra omby any amin’iny faritra Arivonimamo iny.
Legende : Mbola tratra tahaka izao ilay omby novonoina
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT