Fandriampahalemana

Arivonimamo Maty voatifitra teo amin’ny fony ilay raim-pianakaviana


  • Talata 02 Martsa 2021

Tokantranona mpivaro-kena iray ao amin'ny fokontany Saromilanja, kaominina Arivonimamo,

 

 

 

 no notafihana jiolahy 8 lahy nirongo basy vita gasy sy fitaovam-piadiana tsotra ny misasak’alin’ny sabotsy teo.Ilay Raim-pianakaviana mpivaro-kena no tena notadiavin'ireo olon-dratsy, saingy ny vinantolahiny no hitan'izy ireo ka notifiriny avy hatrany izay vao 32 taona monja. Voa teo amin'ny fony io lehilahy io ary namoy ny ainy vokatr'izany. Namela mananontena izay bevohoka efa miandry andro ratompokolahy raha araka ny fantatra. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany moa ny vola 8 tapitrisa Ar sy ny findain'ny tompon-trano raha ny fantatra hatrany. Jiolahy iray moa no efa tratra raha araka ny fantatra hatrany.Vao herinandro lasa ihany koa izay dia andian-tsarety nitondra mananasy no notafihan'ny jiolahy tany amin’ity distrika iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT