Fandriampahalemana

Arivonimamo In-telo notafihin’ny dahalo tao anatin’ny iray volana


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Notafihin'ny dahalo afak’omaly alina ny tananan'Ambohimanambola kaominina ambanivohitra Amboanana distrikan’ Arivonimamoka.

Lasan’ireo dahalo nandritra izany ny omby miisa 11 raha araka ny vaovao azo. Notapenan'ireo dahalo isam-baravarana ireo tantsaha nandritra ny fotoana nidirany tao an-tanana ka tsy nisy nahasahy nivoaka na dia iray aza. Na izany aza niezaka ny nanenjika ireo dahalo ny fokonolona ka omby miisa roa no efa tafaverina soa amantsara fa ny 9 ambiny kosa mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Nankany Imerintsiatosika ny dian’ireo omby raha araka ny fantatra. Ankoatra ity tranga farany dia navoakan'ireo dahalo daholo ihany koa ireo omby rehetra tao Morafenosoa, fokontany Ankerana, kaominina ambanivohitra zomabealoka, distrikan’i Miarinarivo afak’omaly alina ihany. Nampaneno radio carte ireo dahalo nandritra izany no sady nanapoaka basy no mamoaka ny omby. Lasan'izy ireo daholo ny omby rehetra tao an-tanana ary niroso nanara-dia ny fokonolona ka omby 7 sisa tavela tamin’ireo very ireo. Efa nahavita fanafiana in-3 tao anatin'ny iray volana moa ireto dahalo ireto ka omby 17 tamin'ny voalohany lasany, 20 tamin'ny faharoa, izao 7 izao ny fahatelo. Andian-dahalo 20 lahy eo ho izy ireo no manao izany koa hanaovan’ireo mponina any an-toerana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT