Fandriampahalemana

Arivonimamo Hiakatra fitsarana anio ireo dahalo nampijaly ny mponina


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Hiakatra fitsarana anio alakamisy 25 jolay ireo daholo gaigilahy nampijaly ny mponina tao amin’ny distrikan’ Arivonimamo.

Raha tsiahivina kely dia anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fandoroana trano tao Ambohitrinindrainy fokontany Anjanamahazo kaominina Ambohimandry izy ireo tamin'ny volana Novambra taona 2021. Niakatra fitsarana tao Arivonimamo ireo dahalo ireo taorian'io saingy afaka noho ny fisalasalana hoy ny vaovao. Namaly faty ireo fokonolona nitory azy ireo dahalo taorian’izany ka nalainy avokoa ny omby tao an-toerana. Nodorany ihany koa ny tranon'ireo fokonolona tao Ambohitrinindrainy Anjanamahazo Ambohimandry. May in-droa ny tranon'ireo fokonolona ireo noho izany. Tezitra ny iray amin’ireo rafozan'ireo dahalo ka naka ny zanany fa tsy hampanambadiany dahalo hono ny zanany ka vao niala tao an-tranony ny vadin'ilay dahalo izay nalain'ny dadany dia notafian'ireto dahalo ireto koa ny rafozany ka nodorany ny tranony ary nalainy daholo koa ny omby tao. Ankoatra izay dia mbola nanafika tao antsolabato kaominina ambanivohitra Amboanana ihany koa ireo dahalo ireo ny 14 oktobra lasa teo ka nodorany tanteraka ny tanàna ary lasany daholo ny omby. Manao antso avo amin’ny fitsarana ao Arivonimamo araka izany ireo tantsaha ao an-toerana mba hijery akaiky izao raharaha izao. Raha sanatria ka mbola ho votsotra ihany mantsy ireto dahalo ireto anio dia hitombo hatrany ny trano may sy ny omby very amin’ny alalan’ny valifaty hataon’izy ireo izay ahiana hisy aina hafoy mihitsy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT