Fandriampahalemana

Arivonimamo Alain’ny jiolahy hatramin’ny trondro eny an-tanimbary


  • Zoma 24 Martsa 2023

Mahatratra 18.000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro eny an-tsena izany hoe : lafo noho ny hena.

Tena asa fivelomana mandeha izy io araka izany indrindra fa raha ampy traikefa tsara ilay manao azy. Efa hitan’ny jiolahy hatramin’io lalana io ankehitriny. Rehefa leon’ny mamaky trano izy ireo dia lasa mamoaka trondro any anaty tanimbary indray. Vao omaly ohatra tany Arivonimamo tany dia tanàna iray tao Miakandrefandoha Arivonimamo no lasibatr’izany. Very tamin'izany ireo trondro rehetra mba nompina tao izany nahitana karpa 280 isa, renin-trondro 10 ary baraoa. Vola an-tapitrisany nandrandraina vokatr’izany no very raha araka ny fitarainan’ny tompony.
Nangonin’i Pati
Legende : Nisy lalan-dranobe tahaka izao ilay tanimbary nakan’ireo jiolahy ilay trondro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT