Fandriampahalemana

Antsohihy Omby halatra 80 no tra-tehaka


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Mirongatra indray ny halatr`omby. Sarona tao amin` ny kijany Antsalohavery, izay eo anelanelan' ny kaominina Ampandriakilandy sy Kaominina Anjalazala, ao anatin` ny distrikan' Antsohihy, omby maherin` ny 80 isa izay tsy nanana taratasy mazava.

 

 

 

Misy tamin'ireo omby ireo teraka tao anatin'ilay kijany. Misy indray ireo nangalarina tany amin'ny kaominina Ankerika izay efa nalainy tompony tany an-toerana. Misy kosa ireo mbola tsy nalainy tompony izay giazana ao amin'ny famonjan'omby Ampandriakilandy mandritra ny telo volana ary hatao lavanty raha tsy tonga maka azy ny tompony. Nidina nijery ny zava-misy ny lehiben` ny prefektioran` Antsohihy, Naryson Roch Léopold, sy ny lefiny izay notronin'ny ben'ny tanàna voafidy tao Ampandriakilandy, Rajaonary Danny. Nilaza fa handray fepetra mifanaraka amin'izany izy ireo ary nanome toky fa efa misy ny hoentina miady amin'ny tsy fandriampahalemana .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT