Fandriampahalemana

Antsiranana Tratra ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Ny sakaizany ihany no nahavita nanafaka ny ain’ilay vehivavy 30 taona hita faty tao an-tokantranony tao Soafeno, kaominina ambonivohitr’Antsiranana,

distrikan’Antsiranana I ny alarobia 11 janoary teo. Tany Ambanja ilay ranamana io no sarona ny alahady 15 janoary teo tokony ho tamin’ny 11 ora sasany alina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mbola hitan’ny manodidina naira-natory tamin’ilay sakaizany io vehivavy maty io talohan’ny nahafatesany. Nony maraina anefa ny andro dia naheno fofona hafahafa izy ireo ka izay no antony nampandrenesana ny Polisy. Nanao filazana fikarohana ity lehilahy ity ny Polisy, antony nahatrarana azy tany Ambanja ihany koa. Noentina avy hatrany tany amin’ny birao ny anaolahy nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fakana am-bavany azy dia niaiky izy fa namono nahafaty ilay sakaizany tokoa noho ny hasarotam-piaro. Natolotra ny fampanoavana tao Antsiranana ity mpamono olona ity ka naiditra vonjimaika any am-ponja ny afak’omaly talata 17 janoary.
Pati
Legende : Ity ilay mpamono olona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT