Fandriampahalemana

Antsiranana Mody nanofa trano izy 6 mirahalahy, avy eo nandroba


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Miseho avokoa ny karazana faharatsiana rehetra vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Lehilahy miisa 6 voalaza fa avy any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny no tonga nanofa trano tao Antafiamalama,

distrikan’Antsiranana II mba hanaky tranon’olona fotsiny. Tratra ihany anefa izy ireo omaly 09 Novambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Nandritra ny asa fisafoana notanterahan’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana no nahatsikaretan’izy ireo ny fisian’olona tsy fantampatantra sy tsy dia azo antoka mipetraka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ity Fokontany ity. Niroso tamin’ny fijerena sy fitsirihana izany ireo tompon'andraikitra ka tratra tao amin’ilay trano izy enin-dahy. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana finday maromaro, « panneau solaire » ary kojakoja maro samihafa izay tsy fanta-piaviana tao amin’izy ireo. Nahatrarana antsy maranitra lehibe na "coupe coupe" miisa 03 izay fampiasan’izy ireo mandritra ny halatra hataony ihany koa. Araka ny tsilian-tsofina mandeha, dia ireto lehilahy voasambotra ireto no anisan’ny mpanatanteraka ireo halatra miseho tany an-toerana tato ho ato. Vao tonga vao haingana izy ireo fa tsy mbola tena tompon-tanana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy sy ireo fitaovana nampiasainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT