ANTSIRABE

Zaza tsy ampy taona sady tsy salama saina voaolana


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Tovovavy kely voalaza ho tsy dia salama saina loatra no fantatra fa naolana tovolahy iray 17 taona tao Mamokely

Fokontany Tsarafara, kaominina ambanivohitr’ Ambano Distrikan’ Antsirabe II, ny 06 Jona lasa teo. Raha araka ny fantatra dia nitaraina tamin-dReniny ity tovovavy kely ity ka nentin’itsy voalohany nanatona mpitsabo.Voalazan' ny mpitsabo tamin’izany fa niharan'ny herisetra ara-nofo tokoa ilay tovovavy kely. Nosamborin'ny zandary ao Andranomanelatra avy hatrany ilay tovolahy voalaza ho nahavita izany tranga fanolanana izany. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela moa ny raharaha. Nomarihin’ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana moa fa ny fikasana hanolana, na nisy ny fidiran'ny filahiana anaty fivavaviana na tsia dia mitovy avokoa ny sazy azon’ilay olona voakasika.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana izay hotsaraina tsy ho ela !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT