Fandriampahalemana

Antsirabe Sarona ireo mpamaky trano kalaza


  • Talata 14 Septambra 2021

Nisesy tato ho ato ny vaky trano tao Antsirabe, kanefa nahitam-bokany ihany koa ny ezaky ny Polisim-pirenena. Jiolahy nambara’ny mpitandro filaminana fa efa kalaza no

 sarona tamin’izany ka nahatratrarana karazan’etana halatra isan-karazany toy ny biskileta am-polony, “baffle” sy zava-maneno, solosaina entin-tanana sy ny maro hafa. Saika toerana maro tao Antsirabe moa no nitrangan’ny vakitra io ary efa nampimenomenoa ny maro izany ary dia izao nahatratrarana jiolahy niisa roa izao. Ny nahagaga, rehefa nantsoina avokoa ireo olona niharan’ny vaky trano dia tsy nisy azy ireo ny ankamaroan’ny entana afa-tsy ny biskileta iray ihany no efa nisy naka, ka mbola azon’ny rehetra tratry ny vaky trano jerena ireo entana eny amin’ny biraon’ny polisy ireo. Efa natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any Antsirabe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT