Fandriampahalemana

Antsirabe renivohitra Sesilany ny vaky trano isak'alina


  • Zoma 01 Desambra 2017

Vao manomboka ny orana dia sesilany ny vaky trano sy fanafihana mitam-basy ao an-drenivohitra Antsirabe.

Saika isak'alina no handrenesana olona voaroba sy voatafika, izay mahalasa saina ny maro tokoa. Teo ny resabe momba ny fivoahan'ny gadra amin'ny alina, izay manao ratsy ka sarona tamin'ny halatr'omby tany Ibity dia izao indray nisy fanafihana omaly zoma 30 novambra tamin'ny 2 ora maraina. Tokantrano iray tao Tsihitamaso-Mahazoarivo no nisy nanafika. Voalaza fa enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana no tafiditra tao an-trano. Raha ny fahitan'ny niharam-boina azy dia nisaoty tamboho ireo jiolahy ary nivantana teo akaikin'ny fitoeran'ny fiara izay vao nanapitsoka ny varavarana. Tsy ren’ny tao an-trano ny nidirany ary efa ilay ramatoa lehibe nofohazina hamoaka ny vola vao taitra ny tao an-trano. Tsy tao moa ny raim-pianakaviana fa niandry marary tany amin'ny hopitaly ka ankizy no niantso vonjy tamin'ireo fianakaviany manodidina. Tsy nisy ny vola lasan'ireo jiolahy satria nilaza ho tsy nanana ny tao an-trano. Taorian'io anefa dia nisy tokantrano iray hafa voatafika ihany koa tao atsinanan'ny gara saingy tsy nahazo ihany koa ireo jiolahy. Ny alin'ny alarobia dia tokantrano mpivarotra tany Antsongo no fantatra fa voaroban'ireo jiolahy. Mandry tsy lavo loha Antsirabe ankehitriny.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT