Fandriampahalemana

Antsirabe, Mandoto Nitrangana fatiolona mahatsiravina


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Nitrangana hain-trano tsy nampoizina indray tao amin’ny fokontany Tsarasaotra-Antsirabe ny marainan’ny talata 27 febroary 2018 teo. Lehilahy iray efa 76 taona, taizan’aretina ka nalemy tao am-pandriana efa an-taonany no may kila forehitra.

 Raha ny fanazavana nomen’ny manodidina dia andeha hitondra ny zafikeliny any amin’ny dokotera, izay nokekerin’ny alika teo ambavahadin’izy ireo ny zanany lahy, izay hipetrahany, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nantsoin’ny olona hiverina noho ny fisian’ny setroka be tao an-tranon’izy ireo. Ambany rihina moa no ipetrahan’ilay raim-pianakaviana io ka setroka niakatra tany ambony no nanaitra ny maro io. Tsy fantatra marina izay niandohan’ny afo fa ny tombantomban’ny maro dia toa teo amin’ilay kidoro eponjy natoriany no mety niandohany satria izy no may voalohany ka nahamay kila ilay rangahy teo am-pandriana. Tonga nanamarina ny loza ny teo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana ka ny fanadihadiana no mety ahafantarana ny marina. Marihina fa vetivety no namonjen’ny olona ny afo ka nalaky voafehy izany ka tsy niitatra tamin’ny efitra hafa. Tany amin’iny faritra Vakinankatra iny ihany fa somary nihataka kely an’Antsirabe, dia olona roa ihany koa no indray maty tany amin’ny kaominina Mandoto, fokontany  Anjoma Ramartine omaly. Olona mianaka, izay renim-pianakaviana sy ny zanany no maty voadonan’ny fiara “sprinter” nandeha mafy dia mafy. Tapaka sy nipitika lavitra mihitsy ny lohan’ilay ramatoa. Toy ny novoasana nendahina tamin’ny volony sy ny hodi-dohany ilay loha tapaka, ka nampihoronkoditra izay rehetra nahita. Ilay zanak’io ramatoa io kosa mbola nisy aina, ary nialana nenina teny amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ainy.


Caius R sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT